Overblog Suivre ce blog
Editer l'article Administration Créer mon blog

Nosy Malagasy sy ny Faritra 22

Publié le par Jeannot Ramambazafy

Nosy Malagasy sy ny Faritra 22
Nosy Malagasy sy ny Faritra 22

NOSY MALAGASY SY NY FARITRA 22

Ireo solontenan’ny Ray aman-dreny ara-drazana avy amin’ny faritra 22, izay isan’ny mpizaika tamin’ny Fihaonambe nasionaly ny Rindra Safatsiroa ny Sehatry ny fandriampahalemana (RSS) teny amin’ny CCI Ivato ny 14 – 17 oktobra 2015 dia nametraka mazava tao anatin’ny fehi-kevitry ny « pilier Acteurs non-Etatiques » ny fitakiana ny famerenana ireo Nosy malagasy (Iles Eparses).

Nandritra ny « séance plénière » ny 17 oktobra 2015 dia nanazava ny maha « coffre-fort » an’ireo Nosy Malagasy ireo tamin’ny mpizaika manerana ny Nosy nanatrika ny Fihaonambe nasionaly ny Rindra Safatsiroa ny Sehatry ny fandriampahalemana (RSS) teny amin’ny CCI Ivato ny Minisitra Organes Rakotomiantarizaka – Mpikambana mpanorina ny « Comité National pour la Restitution des Iles Eparses et pour la Revendication du Plateau Continental » CNRIE-RPC.

Tafiditra ao anatin’ny fehi-kevitra ny Fihaonambe nasionaly na « les axes jugés prioritaires » ny fitakiana ny famerenana ireo Nosy malagasy.

Isika malagasy jiaby no manao ny tolona amin’izao fotoana izao fa tsy ireo sokajin’olona vitsivitsy fotsiny eto an-drenivohitra.

Tena naha velom-bolo ny rehetra ny fanambarana nataon’Andriamatoa Jean Max Rakotomamonjy – Filohan’ny Antenimieram-pirenena omaly (11 desambra 2015) fa : « Ny Antenimierampirenena dia tsy manohitra ny fitakiana ireo Nosy malagasy ».

Ho hitantsika eto amin’ny manaraka ny anaran’ireo Fikambanana any ivelany izay nanao ny ezaka rehetra nandritra ny taona maro nangataka ireo Nosy malagasy ireo ary niasa niaraka tamin’ny CRAM tamin’ny fandresen-dahatra teo amin’ny sehatra iraisam-pirenena. Ny tantara tsy fanadino ary tsara havoitra izany amin’izao fotoana izao mba hipetraka ho an’ny taranaka faramandimby.

TSY AZO ATAO NY MANDISO NY TANTARAM-PIRENENA.