Overblog
Editer l'article Suivre ce blog Administration + Créer mon blog

NOSY MALAGASY: « ANTSIKA NY ILES EPARSES », hoy ny Filoha Marc RAVALOMANANA

Publié le par Jeannot Ramambazafy

NOSY MALAGASY: « ANTSIKA NY ILES EPARSES », hoy ny Filoha Marc RAVALOMANANA

Raha tonga nanao veloma ny Filoha Andriamatoa Marc RAVALOMANANA teny amin’ny trano fonenany teny Faravohitra tamin’ny 07 janoary 2016 ny masoivohon’i Afrika atsimo eto amintsika, Andriamatoa Gert Johannes Grobler dia nasian’ny tsidrim-peo manokana ny momba ny fitakiana ireo Nosy malagasy raha nametrahan’ny mpanao gazety fanontaniana izy taorian’ny fihaonana. Tsotra sady mazava ny heviny :

« Tanintsika ireo ary manohina 100% ny famerenana azy amin’i Madagasikara ».

Ho fanomanana ilay hetsika lehibe hampisehoan’ny vahoaka malagasy amin’izao tontolo izao ny fahavononany amin’ny fitakiana ireo Nosy malagasy ireo am-pilaminana miaraka amin’ireo Solombavam-bahoaka rehetra eo anivon’ny Antenimieram-pirenena eo amin’ny Kianjaben’i Mahamasina dia hisy ny fanatonana ireo Ray aman-dreny sady Filoham-pirenena teo aloha hataonay ato ho ato.

Ny sainam-pirenena malagasy no hameno ny kianjaben’i Mahamasina ary holanjain’ny tanora malagasy amin’io fotoana io fa tsy ny sainan’ireo firenena mpikambana ao amin’ny « francophonie ».

CRAM – EMERGENCE DE MADAGASCAR