Overblog Suivre ce blog
Editer l'article Administration Créer mon blog

NOSY MALAGASY SY NY FIFANARAHANA IRAISAM-PIRENENA 2

Publié le par Jeannot Ramambazafy

Ny firenena malagasy dia mpikambana ao amin’ny Firenena Mikambana. Nankatoa sy nanao sonia ny « Convention des Nations Unies sur le droit de la mer » isika malagasy. Izao fitakiana ny Nosy malagasy izay ilofosan’ny mpiray tanindrazana izao dia resaka tsy fanajan’ny fitondram-panjakana frantsay ny lalàna iraisam-pirenena mifehy ny fiverenan’ny fahaleovantenan’ny tany voazanaka sy ny zon’ny vahoaka malagasy araka ny « Résolution 1514 (XV) Déclaration sur l’octroi de l’indépendance aux pays et aux peuples coloniaux » nandritra ny Fivoriamben’ny Firenena Mikambana tamin’ny 14 desambra 1960 sy ny fanitsakitsahan’ny fitondram-panjakana frantsay ny « Convention des Nations Unies sur le droit de la mer » ao amin’ny andininy faha 57 izay milaza fa « une zone économique exclusive s'étend à partir de la ligne de base de l'État jusqu'à 200 milles marins (environ 370,4 km) de ses côtes au maximum ».

TSY NISY FEPETRA NORAISINA

Tato anatin’izao Repoblika faha efatra izao no nisy tranga goavana manodidina ny resaka « îles éparses » dia :

. Ny loza an-dranomasina nahafaty mpanjono malagasy maro tamin’ny 29 mars 2014 nohon’ny hetraketraky ny tafika an-dranomasina frantsay ao amin’ny Nosy malagasy Juan de Nova.

. Ny fanambarana nataon’ny Directeur de Cabinet de la Présidence tamin’ny mpanao gazety momba ireo mpanjono malagasy mpiray tanindrazana aminy maty tany an-dranomasina raha avy namonjy fivoriana tany Comores momban’ny ranomasimbe Indiana izy dia nilaza hoe : « Ry zareo no te hanjono any an-tanin’olona any ». Tena nanaitra sy nanetsika ny ambom-pon’ireo mpanjono malagasy izany satria efa nanomboka tamin’ny taona 1892 izy ireo no nanjono tao anatin’ny fari-dranomasina malagasy ao amin’ny Canal de Mozambique.

. Ny fametrahana fitoriana nataon’ny “compagnies pétrolières SOPETRO sy MAREX” ny Minisitra Ségolène Royal teo anivon’ny Tribunal Administratif à La Réunion tamin’ny volana septambra 2015 mba hanavao ny fahazoan-dalana amin’ny fandavahana ny tany ambany ranomasina (sondage) sy ny famokarana gaz sy solika manodidina an’i Juan de Nova ho tohin’ny “Arrêté du 22 décembre 2008 accordant un permis de recherches de mines d’hydrocarbures liquides ou gazeux, dit « PERMIS DE JUAN DE NOVA MARITIME PROFOND » « PERMIS DE JUAN DE NOVA EST » , izay nandraisan’ny fitondram-panajakana frantsay vola mitentina 75 220 000 euros, ary nivoaka tamin’ny gazetim-panjakana Frantsay « Textes n° 20 et 21 – JORF n° 0303 du 30 décembre 2008 ». Taorian’ny didim-pitsarana mandidy ny governemanta frantsay hanavao izany fahazoan-dalana izany mandritra ny dimy taona indray dia nomena an’ireo « compagnies pétrolières » ireo ny taratasy fanohizana ny asa fikarohana sy fitrandrahana ny 21 septambra 2015.

. Ny filazan’ny Masoivoho frantsay miasa sy monina eto amintsika tao amin’ny Lapan’ny tanàna Antananarivo Renivohitra fa « an’i Frantsa ny îles éparses ». Tena nampihempo ny ambom-pon’ireo tia tanindrazana malagasy izany fiantsiana izany.

Manoloana ireo tranga ireo dia tsy nisy fepetra noraisaisin’ny fitondram-panjakana malagasy kanefa raha vao misy mpanao fihetsiketsehana milaza fa haneho hevitra am-pilamina manoloana ny Ambassade de France eo Ambatomena, indrindra fa ireo tia tanindrazana dia kinga sy mailaka ny tompon’andraikitra manazava ny « Convention de Vienne ». Tena marina izany satria manaja sy mankato ny fifanarahana iraisam-pirenena nataon’ny firenena malagasy sonia ny mpitondra sy ny mpitandro ny filaminana malagasy saingy tsy mba kinga sy maika toy izany izy ireo manazava ny Convention des Nations Unies sur le droit de la mer rehefa misy mpiray tanindrazana aminy mpanjono natelin’ny ranomasina nohon’ny hetraketraky ny tafika an-dranomasina frantsay ary tsy afaka manjono ao anatin’ny fari-dranomasina malagasy hatramin’izao. Io no maha lasa saina ny rehetra ankehitriny.

Raha miray hina tanteraka ny vahoaka Malagasy manontolo sy ireo Solombavam-bahoakan’i Madagasikara mampiseho amin’izao tontolo izao ny fahavononany amin’ny fitakiana ampilaminana ireo Nosy Malagasy amin’ny hetsika lehibe iray eo amin’ny kianjaben’i Mahamasina dia hiverina ny fiandrianam-pirenena, hiofahofa amin’ireo Nosy malagasy ireo ny sainam-pirenena malagasy amin’ny taona 2016, hisy toeram-pamaharan’ny tafika malagasy any mba hiarovana ny harem-pirenena, hiverina hanjono amin’ny fari-dranomasina malagasy toy ny teo aloha ireo mpanjono malagasy.

CERCLE DE REFLEXION POUR L’AVENIR DE MADAGASCAR (CRAM)

EMERGENCE DE MADAGASCAR