Overblog Suivre ce blog
Editer l'article Administration Créer mon blog

NOSY MALAGASY SY NY SEHATRA IRAISAM-PIRENENA

Publié le par Jeannot Ramambazafy

NOSY MALAGASY SY NY SEHATRA IRAISAM-PIRENENA

Nambaranay teto tamin’ny alatsinainy fa hiroso amin’ny dingana manaraka izahay dia ny fihaonana amin’ireo Ray aman-dreny eto amin’ny firenena ho fanomana ny hetsika lehibe iray ho fitakiana ireo Nosy malagasy am-pilaminana mba ho hitan’izao tontolo izao ny fahavononantsika malagasy jiaby amin’ny famerenena ny fiandrianam-pirenena.

FANGATAHANA FIHAONANA AMIN’NY FILOHAM-PIRENENA

Andriamatoa Hery Rajaonarimampianina – Filoham-pirenena malagasy dia Ray aman-dreny voalohany eto amin’ny tany sy ny fanjakana sady « rano tsy azo dikan’ny zinga » amin’ny fiarovana ny fiandrianam-pirenena sy ny firaisam-pirenena ka nametraka ny fangatahana fihaonana aminy izahay ny talata 12 janoary 2016 tamin’ny 11 ora maraina teo anivon’ny sampan’asa misahana izany tao amin’ny Lapam-panjakana Ambohitsorohitra.

Hanao tatitra aminy amin’ny fomba ofisialy ny famelabelarana nataonay tamin’ny Solombavam-bahoaka teo anivon’ny Antenimieram-pirenena tamin’ny 18 desambra 2015 izahay sady hanolotra azy ny boky mirakitra izany.

Hanolotra azy ireo soson-kevitra sy tetik’ady vaovao tsy hiteraka fandanim-bola ho an’ny firenena amin’ny fitakiana ireo Nosy malagasy.

Heverinay fa tsy hatao latsa-danja amin’ny fanomanana ny fivoriamben’ny « francophonie » ny lanonana fametrahana ny saim-pirenena malagasy any amin’ireo Nosy malagasy amin’ity taona 2016 ity. Miara-paly amintsika ireo firenena miisa 87 tonga mivahiny eto Madagasikara amin’ny volana novambra 2016 satria hihofahofa sy ho lanjan’ny tanora malagasy ny sainam-pirenen’ny firenena nihavian’izy ireo tsirairay avy ary ny sainam-pirenena malagasy efa mihofahofa any amin’ny « Iles Eparses » na ireo Nosy malagasy araka ny fehin-kevitra noraisin’ny Fivoriamben’ny Firenena mikambana na ny « Résolution adoptée par l’Assemblée Générale de l’Organisation des Nations Unies 34/91 du 12 décembre 1979 au cours de sa trente-quatrième session ».

EFA ROSO ISIKA EO AMIN’NY SEHATRA IRAISAM-PIRENENA

Hiaraha-mahita fa ahitam-bokany ny asan’ireo olona misahana ny « lobbing international » miara-dia aminay nandritra ny herintaona mahery amin’ny famerenana ireo Nosy malagasy. Mampiseho ny fananany traikefa sy hakingany eo amin’ny fifampiraharahana iraisam-pirenena ary ny fitadiavana vaha-olana faran’izay avo lenta mba tsy hiteraka fandanim-bolam-panjakana indray amin’ny fandefasana delegasiona malagasy any Frantsa mba «handady rariny».

Nihazakazaka ny raharaha taty amin’ny faritry ny Canal de Mozambique taorian’ilay lahatsoratra nivoaka tao amin’ny gazety « Le Quotidien de la Réunion » tamin’ny sabotsy 24 novambra 2015 tao amin’ny pejy faha 52 (L’actualité dans l’Océan Indien - Mozambique : Relations diplomatiques et économiques) izay nilaza hoe : «Trois préfets en mission. Les préfets de la Réunion, Mayotte et des TAAF se rendent, demain au Mozambique, pour plusieurs rencontres de haut niveau sous le signe de la coopération. Cette mission d’envergure a pour objectif de faire connaître aux autorités mozambicaines LA FRANCE DE L’OCEAN INDIEN».

Ho an’ny mpanara-maso ny fivoaran’ny fifandajan-kery eo amin’ny sehatra iraisam-pirenena dia nisy akony goavana izany, indrindra fa ho an’ireo « grandes compagnies pétrolières » ka tsy tongatonga ho azy ny fivoaran’ny raharaha teo anivon’ny firenen-dehibe sy ny zava-nisy teto Madagasikara tato ho ato.

Ny Canal de Mozambique dia nambaran’ireo manam-pahaizana mpikaroka solika fa misy ny tahiry betsaka indrindra eto ambon’ny tany amin’izao taon-jato izao araka ny tatitra nataon’ny « Rusk Bertagne Associates and TGS-Nopec - Petroleum Geology and Geophysics of the Mozambique Channel». Ahitana « gisements géants de gaz naturel - production pétrolière à 1,23 milliard de tonnes de gaz et le gaz naturel à 650 milliards de mètres cube » raha ny fikarohana nataon’ireo « compagnie Anadarko Corporation Petroluem » sy « compagnie pétrolière ENI » any Italie.

Vokatr’izany rehetra izany dia tsy ho ela dia hanana ny lanjany eto amin’ny firenentsika ilay ny « Résolution 1514 (XV) Déclaration sur l’octroi de l’indépendance aux pays et aux peuples coloniaux » adoptée par l’Assemblée Générale de l’Organisation des Nations Unies du 14 décembre 1960 ”, izay hamerina ny fiandrianam-pirenena Malagasy.

« Sery vitan’ny anamalaho tsy hamonona vatotr’akoho », hoy isika malagasy ka heverinay fa mety tsy hilaina akory ny hitondrana ny raharaha Nosy malagasy eo anivon’ny Tribunal international du droit de la mer any Hambourg na ny fitoriana eo anivon’ny Cour Internationale de Justice. Miteraka fandanim-bola ihany koa mantsy ny fametrahana izany fitoriana izany.

Tsara ho fantatry ny mpiray tanindrazana fa ny raharaha goavana toy itony eo amin’ny sehatra iraisam-pirenena dia tafiditra amin’ny resaka « géopolitique » sy « géostratégique » ka matetika dia mety voalamina amin’ny fomba tsotra rehefa mifampiresaka ireo firenen-dehibe ary mahay mitaky am-pilamanina ny firenena voakasik’ilay tsindry hazo lena fa tsy sanatria latsaka ao anatin’ny velam-pandrika ka miteraka ratra, vonon’olona, ady an-trano, fahapotehin’ny fananana izay mitarika ny fanamotsanana tanteraka ilay firenena ho latsaka any amin’ny lavaka mangitsokitsoky ny fahantrana lalina kanefa dia firenena manana ny ampy.

Alasora, faha 12 janoary 2016

CERCLE DE REFLEXION POUR L’AVENIR DE MADAGASCAR (CRAM)

EMERGENCE DE MADAGASCAR