Overblog Suivre ce blog
Editer l'article Administration Créer mon blog

TAFAVERINA AMIN’I MADAGASIKARA AMIN’ITY TAONA ITY IREO NOSY MALAGASY RAHA MIARA-MIENTANA NY VAHOAKA MALAGASY MASI-MANDIDY

Publié le par Jeannot Ramambazafy

NY MPITSARA IRAISAM-PIRENENA, RAMATOA RAMAROSON ARLETTE

NY MPITSARA IRAISAM-PIRENENA, RAMATOA RAMAROSON ARLETTE

Izany ny fanambarana lehibe nataon’ny Association Nosy Malagasy (ANM) nandritra ny famelabelarana nataon-dRamatoa Arlette RAMAROSON – Filoha nasionalin’ny ANM sady Mpitsara Iraisam-pirenena teo aloha sy Andriamatoa JOEL HARISON Marie René – Sekretera Mpanatanteraka ny Fikaonan-doham-pirenena ho famerenana ireo Nosy Malagasy teny amin’ny Grand Amphi DEGS ANKATSO tamin’ny 3 jona 2016. Tonga maro ireo manam-pahaizana mpikambana ao amin’ny « Groupe des Experts et Scientifiques Consultants » (GESC) izay nanasa ny ANM sy ireo olo-manan-kaja sy mpianatra nanatrika izany fotoana izany

Taorian’ny fampafantarana ny ANM dia niroso tamin’ny famelabelarana ny loha-hevitra hoe: «NOSY MALAGASY SY NY LALANA IRAISAM-PIRENENA» Ramatoa Arlette RAMAROSON

Nambarany fa: “Ho fampiharana ny lalàna tamin’ny 6 août 1896 dia ny «acte du 31 octobre 1897» no namaritra fa zanatany frantsay Madagasikara sy ireo Nosy malagasy ireo : Juan de Nova, Bassas de India, Glorieuses ary Europa. Niankina tamin’ny « province de Tananarive » ireo Nosy ireo tamin’ny 1921, avy eo dia tamin’ny « province de Morombe » (1930), ary farany tamin’ny « district de Nosy Be » (1932).

Tsy nohajain’ny fitondram-panjakana frantsay ny lalàna iraisam-pirenena mifehy ny fiverenan’ny fahaleovantenan’ny tany voazanaka sy ny zon’ny vahoaka malagasy araka ny « Résolution 1514 (XV) ny Déclaration sur l’octroi de l’indépendance aux pays et aux peuples coloniaux » nandritra ny Fivoriamben’ny Firenena Mikambana tamin’ny 14 desambra 1960 satria raha nomena ny fahaleovantena isika malagasy tamin’ny 26 jona 1960 dia notsoahin’ny frantsay tamintsika ireo «îles éparses » (Nosy malagasy) tamin’ny alalan’ny « décret n°60-555 du 1er avril 1960 » ary lasa teo ambany fiadidian’ny Ministère d’Outre-mer ary ny Préfet de la Réunion no niandraikitra ny fitantànana azy ireo hatramin’izao.

Notohizan’ny fitondram-panjakana frantsay izany politika mpanjanahana izany ary vao maika nogejainy ho an’isan’ny « Terres Australes Françaises » (TAF) ireo Nosy malagasy.

Taminy alalan’ny « Décret n°78-146 du 3 février 1978 » no namaritan’ny fitondram-panjakana frantsay ny « Zone économique exclusive ou ZEE » ho azy manodidina ireo Nosy malagasy ireo ho 188 miles, izany hoe mahatratra 347,80 km miala amin’ny morontsiraka.

Tamin’ny alalàn'ny Fehin-kevitra 34/91 tamin’ny 12 desambra 1979 dia nofaritan’ny Fivoriam-be ny Firenena mikambana mazava tsara fa antsika marina ny Iles éparses izay nantsoiny hoe Nosy Malagasy ka toy izao no votoatin’ilay fehin-kevitra:

Hamafisina ary tsy maintsy hajaina toy ny anakandriamaso ny firaisam-pirenena sy ny tsy fanekena ny anombinana ny tany voazanaka amin’ny fotoana izay hahazoana ny Fahaleovantena
Manasa ny governemanta frantsay hanao fifampidinihina tsy misy hatak’andro amin’ny governemanta Malagasy momban’ny famerenany ny Nosy Malagasy izay notsohaina amboletra tamin’i Madagasikara
Mangataka ny governemanta frantsay hanafoana ny fepetra manohitohina ny fiandrianam-pirenena malagasy sy ny maha-iray tsy azo hanombinana an’I Madagasikara ary tsy haka fepetra hafa izay mety hanohitohina ireo voalaza ireo ka mety hanembatsembana ny fitadiavana vaha olana ara-drariny ho an’I Madagasikara amin’ny olana izay misy eo amin’i Madagasikara sy Frantsa.

Mangataka ny Sekretara Jeneralin’i Firenena mikambana hanaraka akaiky ny fampiharana fehin-kevitra efa notinapaka.

Tamin’ny 1980 dia nohamafisin’I Firenena mikambana ilay fehin-kevitra izay nanery tsy nisy hatak’andro ny governementa frantsay mba hanao haingana dia haingana ny fifampiraharahana amin’ny governemanta Malagasy momba izay voalaza tao amin’ny fanapahan-kevitra teo aloha mba hahitana vahaolana mifanaraka amin’ny tanjona sy ny tarigetra ny Firenena mikambana”.

Nohamafisiny fa: “Taorian’ny 1973 dia nangina ny governemanta malagasy izay nifandimby teto an-toerana na dia nahazo rariny tanteraka aza isika tamin’ny Firenena mikambana. Tokony efa nandeha efa ela ny fifampiraharahana tamin’ny governemanta frantsay ary efa nigoka ela ny mamy tokony ho azo amin’ny fitrandrahana ireo nosintsika ireo ny Malagasy. Tsy manome tsiny na iza na iza anefa ny ANM fa manana adidy kosa isika hiatrika ny ho avy sy ny ho tombon-tsoan’ny taranantsika.

Amin’ny lafin’ny governemanta frantsay kosa, dia tsy nisy nohajainy na dia kely aza ireo fepetra, indrindra indrindra ny fanafoanana ilay fepetra noraisiny tamin’ny nanomezany ny fahaleovantenan’i Madagasikara. Nogiazany anefa ireo nosy manodidina ary izany nataony izany dia fanitsàkitsahana ankitsirano ny lalàna iraisam-pirenena momba ny fanomezana manontolo ny tany voazanaka ho an’ny tompony (principe de l’intangibilité des frontiers). Tsy vitan’izany koa fa namoaka lalàna sy didim-mpanjakàna ary didim-pitondràna samy irery izay manamafy ny fiandrianam-pirenena amin’ireo nosintsika ny govrnemanta frantsay.

Niantso ny finoana sy ny fitiavana ny tanindrazana ny Filoha nasionalin’ny ANM satria “tsy tara velively akory ny handraisantsika andraikitra amin’ny famerenana an’ ireo nosy ireo. Raha araka ny lalàna iraisam-pirenena, dia misokatra ho antsika malalaka ny fomba ahazoana ireo nosy ireo.

Ny Association Nosy Malagasy dia:

Matoky ny fahendren’ny governemanta frantsay izay mpitandro ny zon’olombelona eo amin’ny sehatra iraisam-pirenena ary ny fanekeny amin’ny fanajàna ny zon’olombelona ao amin’ny fikambanana samihafa iraisam-pirenena.

Miantso ny governementa frantsay hanafoana ny lalàna, ny didim-mpanjakàna ary ny didim-mpitondràna navoakany samy irery manamafy ny fiandrianam-pirenena amin’ireo Nosy Malagasy antsika ireo ary hampihantona eo no eo ny fifanarahana izay nataony tamin’ny orinasa samihafa hitrandraka ny harena ao amin’ny nosy Juan de Nova

Mangataka ny hampitsahatra eo no eo ny fepetra rehetra izay mety hanembatsembana ny fiandrianam-pirenena Malagasy amin’ireo nosy Malagasy ireo

Mangataka ny governementa frantsay hanao fanambarana ampahibemaso eo anatrehan’ny Firenena mikambàna ny fanekeny fa an’I Madagasikara madiodio ny Nosy Malagasy ka hisy fepetra izay horaisina miaraka amin’ny Malagasy amin’ny famerenany ny Nosy Malagasy sy ny hialàny amin’ireo nosy ireo.

IZANY DIA FAMPIHARANA MADIODIO NY FANAPAHAN-KEVITRA IZAY NORAISIN’NY FIVORIAM-BE NY FIRENENA MIKAMBANA”.

RAHA TSY IZANY

Raha sanatria ka tsy tanteraka izany, hoy izy, “dia aoka ny vahoaka masi-mandidy, mpiray tanindrazana hiditra an-tsehatra handidy sy hanapaka momban’ny hareny tsy hita mpesimpesenina izay natolotr’Andriamanitra ho azy ary izay hamafisin’ny lalàna iraisam-pirenena.

Raha araka ny andininy faha 19 ny Fanambaràna iraisam-pirenena momban’ny zon’olomblona sy ny and 19 ny “Pacte relatifs aux droits civils et politiques “izay nohamafisin’ny Lalàm-panorenana malagasy ao amin’ny andininy faha 11

Ny ANM dia manana zo ary manana andraikitra mampahafantatra sy manentana ny vahoaka mizaka ny zo maha-malagasy (droit à l’information) fa na nogiazan’ ny governemanta frantsay aza ny nosy malagasy dia efa nanamafy mazava tsara ny fanapahan-kevitry ny Firenena mikambana fa an’i Madagasikara mazava ireo nosy ireo.

Ny malagasy tsirairay avy dia tokony hahafantatra koa fa tapitrohatra ny harena ao amin’ireo nosy ireo (millliards de milliards de dollars) harena izay tokony hahafaka azy amin’ny fahantrana lalina izay mianjady aminy ary hanarenany sy hanorenany ilay Madagasikara vaovao.

Ny mpiray tanindrazana dia manana zo ary tokony hahafantatra fa araka ny lalàna iraisampirenana (and.1 pacte relatifs aux droits civils et politiques) dia masi-mandidy amin’ny harena izay misy ao aminy izy ary voalaza mazava tsara fa tsy tokony voantohitohina ny fivelomana sy ny anton-mpiveloman’ny olom-pirenena tsirayray “Nul ne peut être privé de ses moyens de subsistance”.

TSY MAINTSY HORENESINA NY FEON’NY VAHOAKA SY NY FANAPAHAN-KEVINY MOMBA AN’IREO NOSY MALAGASY IREO

Noho ireo antony voalaza eo ambony ireo dia: “ny malagasy mizaka ny zo maha-malagasy azy ary koa ny frantsay mizaka ny zo maha-frantsay azy dia tokony hahafantatra amin’ny fomba mangarahara ny momba ireo nosy ireo ary raharahann’ny olom-pirenena frantsay sy ny olom-pirenena malagasyizao fitakiana izao.

Ny ANM dia mihevitra fa io no lalan-tokana hahazoana haingana dia haingana ny famerenana an’ireo Nosintsika ireo am-pelatanantsika.

Ny ANM dia manaja tanteraka ny lalàna iraisam-pirenena nosoniavin’i Madagasikara izay mandràra ny fanonganam-panjakàna ary manamarika rahateo fa tsy vaha olana ho an’i Madagasikara mihintsy ny fitakiana amin’ny alalan’ny fanonganam-mpanjakàna izay hitondra antsika amin’ny krizy lavareny.

Efa misy rafitra ara-dalàna mipetraka ao anatin’ny Lalàm-panorenana momba ny fifandimbiasam-pahefàna ara-demokratika.

Teo am-pamaranana ny famelabelaran-kevitra izy dia manao antso avo ny mpiray tanindrazana rehetra sy ireo miombon-kevitra amin’izao fitakiana izao; n’aiza n’aiza misy azy; na inona na inona firenena hiaviany ao anatiny izany ny Frantsay, miantso indrindra indrindra ny Filoham-pirenena Malagasy izay olomboafidim-bahoaka, sady Ray amandreniny Malagasy rehetra hiaraka hisalahy aminay ANM hifanome tànana hahatafita ny tolona hiombonantsika. Tsy maintsy miverina amintsika ny nosintsika », hoy Ramatoa Arlette RAMAROSON.

IREO OLANA FOTOTRA MOMBAN’IREO NOSY MALAGASY

Taorian’izay dia niroso tamin’ny famelabelarana ireo olona fototra momban’ireo Nosy malagasy Andriamatoa JOEL HARISON Marie René – Sekretera mpanatanteraka ny Fikaonan-doham-pirenena ho famerenana ireo Nosy malagasy.

Tsara ho fantatry ny mpiray tanindrazana, hoy izy, ny tena olana fototra momba ireo Nosy malagasy ireo ka mitarika ny fitakiana ny famerenana azy ireo amin’izao fotoana izao. Tsy ady tany tsotra no misy fa fibodoana tany tsotra izao sy fakana fari-dranomasina malagasy no nataon’ny fitondram-panjakana frantsay samy irery ary mandika ny LALANA IRAISAM-PIRENENA araka ny fanazavana nentin-dRamatoa Arlette RAMAROSON azy teo.

Tamin’ny fampiharan’ny fitondram-panjakana frantsay ireo didim-panjakana sy didim-pitondrana isa-tokony no mahatonga ireo tafika an-dranomasina frantsay mihetraketraka amin’ny mpanjono malagasy tato ho ato ka niafara tamin’ny fahafatesan’ny mpanjono malagasy maromaro tany an-dranomasina tamin’ny 29 mars 2014 sy ny fanagadrana ny sasany taty aoriana ary mitohy izany hatramin’izao taona 2016 izao.

Ny ankamaroan’ny mpiray tanindrazana monina amin’ny ilany avaratra sy andrefana ary hatrany atsimon’ny Nosy dia saika mivelona amin’ny jono avokoa. Ny teny fanevan’izy ireo hatramin’ny fahagola tany dia ny hoe : « NY RANOMASINA NO RAZAMBENAY – IZY NO MAMELONA ANAY ».
Nanomboka tamin’ny 1832 no nanjono tany amin’ny faritra manodidina ny Nosy malagasy Juan de Nova izy ireo ary nipetraka tany ny sasany. Ny Nosy JUAN DE NOVA dia 100 km andrefan’ny Melaky, ILES GLORIEUSES : 200 km andrefan’i Antsiranana, BASSAS DA INDIA : 300 km andrefan’i Morondava, EUROPA : 250 km andrefan’i Morondava.

Mazava ny voalaza ao anatin’ny « Convention des Nations Unies sur le droit de la mer » ao amin’ny andininy faha 57 manao hoe : « Une zone économique exclusive s'étend à partir de la ligne de base de l'État jusqu'à 200 milles marins (environ 370,4 km) de ses côtes au maximum ».

Mamelona olona an-tapitrisany ny jono an-dranomasina manamorina ny CANAL DE MOZAMBIQUE kanefa indrisy fa miraviravy tanana ireo mpanjono malagasy nentim-paharazana ireo fa tsy mandray ny andraikiny ny fitondram-panjakana malagasy manolona ny hetraketraka hataon’ny tafika an-dranomasina frantsay azy ireo raha manjono ao anatin’ny fari-dranomasina malagay izy ireo.

Efa nanao antso avo ireo mpanjono mpikambana ao amin’ny « ASSOCIATION DES PECHEURS MALAGASY POUR LA RESTITUTION DES ILES EPARSES ET POUR LA RECONSTRUCTION DE MADAGASCAR » nanomboka tamin’ny volana joaly 2014 fa tsy misy mihaino.

OLANA FOTOTRA FAHAROA

Araka ny fanazavana nentin-dRamatoa Filohan’ny ANM teo, hoy izy, dia namaritra ny fari-dranomasina ho azy samy irery taty amin’ny faritry ny Canal de Mozambique ny fitondram-panjakana frantsay.

Raha hatao ny kajin’ny fari-dranomasina malagasy dia tsy misy afa-tsy 12 milles marins sisa no anjarantsika, izany hoe 22,2 km satria 1 mille marin dia manodidina ny 1,85 km. Amin’ny faritra manodidina ny Nosy Juan de Nova dia tsy manana fari-dranomasina intsony isika malagasy. Tena fanambakana tsotra izao ny firenena malagasy izany.

Mba ho fanajana ny fifanarahana iraisam-pirenena dia voatery isika malagasy namaritra ho 200 milles marins ny fari-dranomasina manodidina an’i Madagasikara tamin’ny taona 1985 kanefa tsy nohajain’ny fitondram-panjakana frantsay izany.

Very zo tanteraka ny firenena malagasy eo amin’ny sehatry ny fifanarahana iraisam-pirenena momban’ny ranomasina raha izao zava-misy izao no jerena ka mila mandray andraikitra feno ny mpitondra sy ny solombavam-bahoaka ary ny mpiray tanindrazana rehetra mandritra ny Fikahonan-doham-pirenena amin’ny 23 jolay 2016.

NY OLONA FOTOTRA FAHATELO

Nivoaka tao amin’ny gazetim-panjakana Frantsay « TEXTES n° 20 et 21 – JORF n° 0303 du 30 décembre 2008 » ny fanomezan-dalana na « permis de recherches de mines d’hydrocarbures liquides ou gazeux » ho an’ireo orin’asa vahiny mpitrandraka solika miisa dimy izay miara-miasa manodidina ny Nosy malagasy Juan de Nova mandritra ny dimy taona izay nosandaina 75 220 000 euros.

« Fifanarahana ara-barotra iraisam-pirenena » mbola tsy tokony nataon’ny fitondram-panjakana frantsay izany satria mbola tsy niroso tamin’ny fampiraharahana tamin’ny fitondram-panjakana malagasy ry zareo araka ny fehin-kevitra noraisin’ny Fivoriamben’ny Firenena mikambana na ny « Résolution adoptée par l’Assemblée Générale de l’Organisation des Nations Unies 34/91 du 12 décembre 1979 au cours de sa trente-quatrième session ».

Nitory ny fitondram-panjakana frantsay indray ireo « compagnies pétrolières » ireo teo anivon’ny Tribunal administratif tao Saint-Denis de La Réunion tamin’ny volana septambra 2015. Nandresy ireo « compagnies pétrolières SOPRETO et MAREX » tamin’izany satria « sarimihetsika izany » ka noteren’ny fitsarana ny fitondram-panjakana hanome azy ireo taratasy ho fanohizana ny fandavahana ny tany ambany ranomasina (sondage) sy ny famokarana « gaz naturel » sy solika manodidina ny Nosy malagasy Juan de Nova mandritra ny dimy taona indray.

Tsy andraikitry ny fitondram-panjakana frantsay mihitsy ny manome izany « permis de recheche d’hydrocarbures » vaovao izany satria mbola hifanolanana amin’ny firenena malagasy ny Nosy Juan de Nova. Raha ny marina dia tokony amin’ny fitondram-panjakana malagasy ireo « compagnies pétrolières » ireo no manohy ny fifampiraharahana.

Nambarany fa : « tsy tokony ho variana amin’ny Nosy malagasy Juan de Nova fotsiny isika mpiray tanindrazana fa hijery amin’ny antsipirihiny ny tena zava-misy marina amin’ny fifanarahana amin’ireo « Bloc offshore » manodidina ny fari-dranomasina malagasy tsy lavitra an’Ambilobe, Cap d’Ambre, Presqu’île d’Ampasindava, Cap Saint André, Mahajanga offshore Profond sy ny hafa.

Araka ny tatitra navokan’ny orin’asa britanika iray izay nanao fikarohana tao amin’ny lakan-draon’i Mozambique (Rusk Bretagne Associates and TGS-Nopec «Petroleum Geology and Geophysics of the Mozambique Channel») dia ahitana « production pétrolière à 1,23 milliard de tonnes de gaz et le gaz naturel à 650 milliards de mètres cube ».

OLANA FOTOTRA FAHA EFATRA

Tsy afaka misaraka ny fitakiana ny famerenana ireo Nosy Malagasy sy ny fanohizana ny fitakiana ny « plateau continental ».

Mazava ho azy fa na dia nangataka ny fanitarana ny fari-dranomasina malagasy mihotran’ny 200 milles marins aza isika tamin’ny 28e session des travaux de la commission des limites du plateau continental teo anivon’ny Firenena Mikambana tany New York ny 27 aogositra 2011 kanefa tsy tafaverina amintsika malagasy ireo Nosy ireo dia hampiharin’ny fitondram-panjakana frantsay hatrany « Décret n°78-146 du 3 février 1978 » namaritany ny fari-dranomasina ho azy samy irery aty amin’ny Canal de Mozambique.

Toy izao ny famaritana ny velaran’ny Zone économique exclusive nataon’ny fitondram-panjakana frantsay :

Ny Nosy Bassas da India dia manana zone économique exclusive manodidina ny 126 000 km². Raha miampy ny Nosy Europa sy Juan de Nova dia mahatratra 340 000 km². Ahitana harena sarobidy maro toy ny solika, gaz naturel, ary ireo tahiry goavana amin’ny harena an-dranomasina ireo faritra ireo.

KANEFA :

Aorian’ny fankatoavan’ny Firenena Mikambana ny fanitarana ny « plateau continental » mihoatra ny 200 milles marins ao atsimon’ny firenentsika dia ho lasa 860 000 km² ny velaran-tanin’i Madagasikara na ny « territoire terrestre ».

NY OLANA FOTOTRA FAHA DIMY
« Commission mixte » na « commission ad hoc » na « accord cadre franco-malagasy de cogestion des Iles Eparses »

Izany “commission mixte” na “commission ad hoc” na “accord cadre franco-malagasy de cogestion des Iles Eparses” izany dia mety afaka 20 na 30 taona vao mety ho vita ny fifanarahana kanefa ny fitrandrahana ny harem-pirenena Malagasy efa mizotra an-tsakany sy an-davany satria hisy ny fandrirarirana antsika Malagasy toy ny mahazo ny firenena Maorisiana amin’izao fotoana izao.

Jereo amin’ny maso tsy miangatra fa tamin’ny 2 desambra 1999 nandritra ny “2-ème Sommet des chefs d’Etat et de Gouvernement de la Commission de l’Océan Indien » no nametrahana izany vaomiera iombonana nikarakara ny “accord cadre franco-mauricien de cogestion de Tromelin” izany fa mbola tsy mihantra izany hatramin’izao. 17 taona aty aoriana.

Voatery napaka-peo momban’io resaka « cogestion de Tromelin » io ny tompon’andraikitra Maorisiana nandritra ny Fivoriamben’ny Firenena Mikambana tamin’ny herintaona tany New York.

Raha izay ny olana fototra momban’ireo nosy malagasy. Inona no vaha olana ?

Ny firosoantsika « VAHOAKA MALAGASY MASI-MANDIDY » amin’ny FIKAHONAN-DOHAM-PIRENENA MOMBAN’NY FAMERENENA IREO NOSY MALAGASY IREO NY VAHA OLANA. Izany dia hatao ao amin’ny LAPAN’NY TANANA ANTANANARIVO RENIVOHITRA NY 23 JOLAY 2016.

Nambarany teo am-pamaranana ny famelabelarana fa : « efa nampahafatarin’ny KOMITIM-PIRENENA ny fitondram-panjakana malagasy izany « Symposium national pour la restitution des îles malagasy (îles éparses) » tamin’ny alalan’ny taratasy nalefanay ho an’Andriamtoa Filoham-pirenena tamin’ny 15 avril 2016. Efa nangataka « FANDAHARAHANA MANOKANA » (émission spéciale) ISAN-KERINANDRO ao amin’ny TVM sy ny RNM mandritra ny volana jona sy jolay ny Komitim-pirenena mikarakara ny Fikahonan-doham-pirenena araka ny taratasy nalefa ho an’Andriamatoa Praiminisitra sady lehiben’ny governemanta sy Andriamatoa Minisitry ny Serasera ary ny Talen’ny TVM sy ny RNM tamin’ny 24 mai 2016. Nisy ny fampahafatarana manokana ny Vondrona iraisam-pirenena sy ireo mpiray tanindrazana monina any ivelany nataon’ny ANM.

Nandritra ny famaliana ny fanontaniana napetrak’ireo mpanatrika no nilazany fa « miverina amintsika amin’ity taona ity ireo Nosy malagasy raha miara-mientana ny vahoaka satria efa betsaka ireo ezaka nataon’ireo tompon’andrikitry ny Fikambanana mandrafitra ny ANM teo anivon’ny sehatra iraisam-pirenena tao anatin’ny taona vitsivitsy.
Ho fandresen-dahatra izao tontolo izao dia hisy fehin-kevitra nasionaly miisa roa ho raisin’ny mpizaika manerana an’i Madagasikara mandritra ny Fikaonan-doham-pirenena amin’ny 23 jolay 2016 dia :

ny FEHIN-KEVITRA NASIONALY HO ENTINA EO ANIVON’NY FIRENENA MIKAMBANA

ny FEHIN-KEVITRA NASIONALY AMIN’NY FOMBA HITANTANANA IREO NOSY IREO MBA HO FANORENANA SY FANARENANA NY FIRENENA AVY IFOTONY. Marihina, hoy izy, fa na ny vahiny na ny tera-tany dia samy velona ahiahy sy fanontaniana avokoa sao hanao toy ny « bois de rose » sy ny « volamena » ary ny harem-pirenena hafa ny « îles éparses » ka lasa tantely afa-drakotra sy gaboraraka ny harena tsy manam-paharoa antsika vahoaka malagasy masi-mandidy izay tafiditra ao anatin’ny fari-dranomasina malagasy ao amin’ny Lakan-dranon’i Mozambika.

Nandritra izany famelabelaran-kevitra izany no nandrenesana voalohany ny hira fanevan’ny Fikaonan-doham-pirenena izay mitondra ny lohan-teny hoe : « AVERENO NY TANY ».

Antananarivo, faha 07 jona 2016

SAMPAN’NY SERASERA ANM