Overblog Suivre ce blog
Editer l'article Administration Créer mon blog

New York. Mitodika any ny mason’ny mpizaika rehetra nandray anjara tamin’ny « Symposium national pour la restitution des îles malgaches (îles éparses) »

Publié le par Jeannot Ramambazafy

New York. Mitodika any ny mason’ny mpizaika rehetra nandray anjara tamin’ny « Symposium national pour la restitution des îles malgaches (îles éparses) »

FANAMBARANA

Mitodika any New York ny mason’ny mpizaika rehetra nandray anjara tamin’ny « Symposium national pour la restitution des îles malgaches (îles éparses) » natao tao amin’ny Lapan’ny Tananan’Antananarivo Renivohitra ny 23 jolay 2016 sy ny mpiray tanindrazana saro-piaro amin’ ny fiandrianam-pirenena sy ny fialana tanteraka amin’ny ziogan’ny fanjanahantany satria hisokatra amin’ny herinandro ambony any New York ny Fivoriambe faha 71 ny Firenena Mikambana.

Ao anatin’ny Fehin-kevitra nasionaly noraisin’ny mpizaika nandritra ny « Symposium national » no ahitana « projet de résolution » izay haroson’ny mpizaika manerana an’i Madagasikara ho dinihina sy hankatoavin’ny mpivory ary hakany Fehin-kevitra mandritra ny Fivoriambe faha 71 ny Firenena Mikambana amin’ny hamerenana tsy hatak’andro ary tsy misy fepetra ny nosy Juan de Nova izay 100 km monja andrefan’ny Melaky, ireo nosy Glorieuses : 200 km andrefan’i Antsiranana, Bassas da Indian : 300 km andrefan’i Morondava, Europa : 250 km andrefan’i Morondava izay nambaran’ny Fivoriamben’ny Firenena Mikambana fa « ILES MALGACHES » tao anatin’ny Fehin-kevitra 34/91 tamin’ny 12 desambra 1979.

Nanoratra tamin’ny Andriamatoa Hery Rajaonarimampianina – Filoham-pirenena sy Ramatoa Atallah Béatrice Jeanine – Ministry ny Raharaham-bahiny ny mpikambana amin’ny Birao nasionalin’ny Association Nosy Malagasy (ANM) satria manana delegasiona ho any New York hitondra ny « Projet de résolution » avy amin’ny mpizaika manerana an’i Madagasikara ary handray fitenenana ao amin’ny « 4ème Commission sur les affaires politiques et la décolonisation durant la 71ème session de l’Assemblée générale des Nations Unies (29 septembre au 03 octobre 2016) raha homen’ny fitondram-panjakana malagasy fankatoavana amin’ny maha « délégation en sa qualité nationale ».

Miandry ny valin-teny avy amin’ny mpitondra ny rehetra. Ny fanomanana dia efa tomombana avokoa satria ny fitambaran’ny firenena maro (groupe d’Etats) izay niresaka tamin’ny ANM na teto an-toerana na tany ivelany dia manohana izany « projet de résolution » izany. Tsy latsan-danja amin’izany ny fanohanana an-taratasy nataon’ireo « Groupes parlementaires malgaches », ireo Antoko politika, ireo Fikambanana iraisam-pirenena maro samifaha. Hatolotra an-dRamatoa Ministry ny Raharaham-bahiny malagasy sy Andriamatoa Sekretera Jeneralin’ny Firenena Mikambana ireo taratasy fanohanana rehetra ireo.

Masina ny Tanindrazana.

Andriamanitra hiaro an’i Madagasikara !

Natao teto Madagasikara androany faha, 17 septambra 2016

JOEL HARISON Marie René

Secrétaire Exécutif ANM