Overblog
Editer l'article Suivre ce blog Administration + Créer mon blog

NOSY MALAGASY : MILA MAILO ISIKA, MILA MITANDRINA ISIKA

Publié le par Jeannot Ramambazafy

NOSY MALAGASY : MILA MAILO ISIKA, MILA MITANDRINA ISIKA

Efa tsikaritray hatrany am-boalohany fa mandady moramora ireo sokajin’olona «mpikarama» izay mandray baiko avy amin’ireo «very remby» amin’ity resaka Nosy malagasy (Iles Eparses) ka :

. manely tsaho fa « EFA LAFO NY ILES EPARSES »,

. mitady ny irika rehetra hitondrana ny mpiray tanindrazana ho any amin’ny fifandonana amin’ny mpitandro filaminana sy ireo tera-tany frantsay miasa sy monina eto amintsika.

Tetik’ady efa nilaozan’ny toetr’andro izany ary sarimihetsika (film) efa nalefa tany Afrika ka tsy azo hajabaka amin’izany intsony ny malagasy. Tsotra ny tanjon’izy ireo amin’izany dia ny fidiran’ny TAFIKA MISATROKA MANGA AVY AMIN’NY FIRENENA MIKAMBANA eto amintsika dia ho very an-javona ny fitakiana ireo Nosy ireo sy ny « plateau continental » ao atsimon’i Madagasikara.

Mila mailo isika. Mila mitandrina isika satria ny Cercle de Réfléxion pour l’Avenir de Madagascar (CRAM) sy ny Emergence de Madagascar dia efa nilaza ampahibemaso teny amin’ny Antenimieram-pirenena tamin’ny 18 desambra 2015 fa : « efa tonga eo amin’ny dingana farany amin’ny fitakiana ampilaminana ireo Nosy ireo isika amin’ity taona 2016 ity ».

Izahay dia tsy hitondra mihitsy ny vahoaka malagasy any amin’ny lalana diso sy feno herisetra ka hanapotika tanteraka ny firenentsika.

Nisafidy ny fifampiresahana eo amin’ny vahoaka malagasy sy ny vahoaka frantsay isika izay atao amin’ny alalan’ny Antenimieram-pirenena roa tonta. Raha mahomby io fifampiresahana io dia ho entin’ny firenena malagasy sy ny firenena frantsay eo anivon’ny Firenena Mikambana fotsiny ny fehin-kevitra dia milamina ny raharaha ary miverina amintsika ampilaminana ireo Nosy ireo. Tsy mila fandefasana delegasiona malagasy ho any Frantsa izany ka handanim-bola an-tapitrisa maro indray toy nanatrehan’ny olona maro dia maro ny fivorian’ny COP 21 farany teo kanefa dia niverina tanam-polo ireo delegasiona malagasy tany frantsa nefa etsy an-kilany ny vahoaka efa mapaka-peo mafy amin’ny fahantrana mianjady amin’ny isam-baravaran’ny maro an’isa sy ny KERE any atsimon’ny nosy.

Aorian’izany dia miverina tanteraka amintsika ny fiandrianam-pirenena (souveraineté nationale). Afaka mifampiraharaha mivantana amin’ny frantsay na amin’ny firenen-kafa isika amin’ny fanohizana asa fitrandrahana manodidina ny Nosy Juan de Nova. Afaka manjono malalaka toy tany aloha ireo mpanjono malagasy.

Eto am-pamaranana dia mamerina hatrany izahay fa mila mailo isika, mila mitandrina isika manoloana ireo « very fihinanana » tsy ho ela eto Madagasikara ka mampiasa ireo « mpikarama » hanamontsana ny mpiray tanindrazana.

Hihofahofa any amin’ireo Nosy malagasy ireo amin’ity taona 2016 ity ny sainam-pirenena malagasy raha tsy diso fandray fanampahan-kevitra ny fitondram-panjakana malagasy ary mampiseho fahavonona amin’ny fitakiana ireo Nosy ireo ampilaminana ny Solombavam-bahoaka rehetra eo anivon’ny Antenimieram-pirenena sy isika vahoaka malagasy manontolo.

MASINA NY TANINDRAZANA !

CRAM – EMERGENCE DE MADAGASCAR