Overblog
Editer l'article Suivre ce blog Administration + Créer mon blog

NOSY MALAGASY : TSY TOKONY HO DISO FANDRAY FANAMPAHAN-KEVITRA NY MPITONDRA

Publié le par Jeannot Ramambazafy

Tena fitakiana madio sy milamina an’ireo Nosy malagasy ary tsy misy resaka « récupération politique » mihitsy ny fiaraha-mientan’ny vahoaka malagasy manontolo sy ireo Solombavam-bahoaka manerana an’i Madagasikara. Fikatsahana ny tombontsoa ambonin’ny firenena sy ny fiandrianam-pirenena izany ary ho fanarenana ny toe-karena malagasy no tanjona. Samy firenena misy « gaz naturel » (entona voajanahary) na i Madagasikara na i Mozambique raha ny fikarohana nataon’ny orin’asa ENI avy any Italie sy « Anadarko Petroluem Corporation » avy any Texas tao amin’ny Canal de Mozambique ary nahitana toeram-pitrandrahana goavana indrindra maneran-tany na « des gisements géants de gaz naturel » izay mahatratra 650 milliards de mètre cube de gaz naturel. Ahoana ny fivoaran’ny raharaha ao Mozambique?

MIJERY LAVITRA NY FANARENENA NY TOEKAREM-PIRENENY NY MPITONDRA

Isika variana misikiponitra mikarakara ny « XVIème Sommet de la Francophonie » sady manatobaka vola amin’ny fanatontosana izany fandraisana vahiny marobe izany amin’ity taona ity kanefa ny firenena malagasy tena ao anatin’ny fasahiranana sy ny fahantrana lalina ny vahoaka. Tsy mitaky vola 20 tapitrisa ariary ny fitakiana ny famerenana ireo Nosy Malagasy fa ny fiaraha-mientan’ny malagasy sisa no handraisan’izao tontolo izao dia mba isan’ny firenena afaka mifampiraharaha malalaka amin’ny hareny toy ny « pétrole » sy « gaz naturel » ao amin’ny Canal de Mozambique i Madagasikara.

I Mozambique, izay firenena mifanolo-bodi-rindrindra amintsika dia mitsinjo lavitra amin’ny firosoana amin’ny fitrandrahana « gaz naturel » ao amin’ny fari-dranomasiny na ny « zone économique exclusive -ZEE- de 200 milles marins » izay tafiditra ao amin’ny Canal de Mozambique ka nanokana vola amin’izany ny governemanta any an-toerana sady niroso tamin’ny fanaovana tolo-bidy na « lancement de l’appel d’offres » tamin’ny 23 octobre 2014. Mahatratra 76 800 km² ireo toerana miisa dimy ambin’ny folo na « 15 blocs » misy gaz naturel any Mozambique ka manodidina ny 200 000 milliards de pieds cubes na 5 600 millions de mètre cube.

Hanomboka ny asa amin’ny toeram-pitrandrahana goavana iray ao avaratra atsinanan’i Mozambique dia ao amin’ny « bassin de Rovuma » izay ahitana 180 milliards de pieds cubes de gaz naturel ary mitentina 100 milliards de dollars ny fampiasam-bola amin’izany.

Io toeram-pamokarana « gaz naturel » iray io fotsiny dia azo hampitahaina amin’ny tahiry misy ao Nigéria ary hitondra an’i Mozambique eo amin’ny laharana faha telo maneran-tany amin’ny tany mpanondrana « gaz naturel liquéfié » aorian’i Qatar sy Australie.

Hanarina ny toe-karem-pirenena any Mozambique izany satria hiteraka « croissance économique moyenne de 24% par an entre 2021 – 2025 ». Ary any amin’ny taona 2028 rehefa tonga eo amin’ny fara tampony ny famokarana hataon’ilay « usine de liquéfaction » dia hanana ny « croissance réelle du PIB 3 à 4% » i Mozambique.

Isan’ny firenena mahantra i Mozambique kanefa mihoatra nohon’ny fananany mpitondra mahay mitsinjo lavitra amin’ny fanodinana ny harem-pirenena ka hiala amin’ny fahantrana tsy ho ela ny vahoaka any an-toerana.

Ny fanontaniana hilam-baliny aminao mpamaky dia ny hoe: Aiza ny ambom-pon’ny mpitondra malagasy satria raha hatao ny kajy tsotra fa tsy mbola hijery ny antontan-taratasy rehetra momban’ny « gaz naturel » sy « pétrole » fananan’ny firenena malagasy ao amin’ny Canal Mozambique isika mianakavy, izay havokanay tsy ho ela eto ho hitan’ny rehetra, dia mbola betsaka lavitra noho izany « 180 milliards de pieds cubes de gaz naturel » no misy manodidina ny Nosy malagasy Juan de Nova.

Afaka manao kajy ny tsirairay satria raha 200 000 milliards de pieds cubes dia mitovy amin’ny 5 600 millions de mètre cube de gaz naturel izay misy ao Mozambique kanefa 650 milliards de mètre cube de gaz naturel no misy ao amin’ny Canal de Mozambique, indrindra fa manodidina ny Nosy malagasy Juan de Nova. Mbola misy firy « mètre cube » izany no ambiny?

Tsy tokony ho diso fandraisana fanampahan-kevitra ny mpitondra malagasy amin’ny fitakiana ireo Nosy malagasy fa efa tonga eo amin’ny dingana farany isika amin’ity taona 2016 ity.

Cercle de Réflexion pour l’Avenir de Madagascar (CRAM)

Emergence de Madagascar

Email : nosyantsika.malagasy@gmail.com