Overblog
Editer l'article Suivre ce blog Administration + Créer mon blog

NOSY MALAGASY: TSY TOKONY HO DISO FANDRAY FANAMPAHAN-KEVITRA NY MPITONDRA

Publié le par Jeannot Ramambazafy

NOSY MALAGASY: TSY TOKONY HO DISO FANDRAY FANAMPAHAN-KEVITRA NY MPITONDRA

Talanjona ny rehetra fa raha nivahiny tao amin’ny fandaharana « Ady Gasy » (TVM) ny Filoham-pirenena ny 27 janoary 2016 dia tsy nasiany teny mihitsy ny momba an’ireo Nosy Malagasy kanefa dia nihentanentana mihitsy izy nanazava ny momban’ny fivorian’ny « francophonie » hatao eto amintsika. Heverina fa napetrany ho adidin’ireo Solombavam-bahoaka angamba ny raharaha satria mahakasika ny vahoaka malagasy manontolo ny fitakiana ny famerenana ny « îles éparses » ary nisatatra izany ny « séance plénière » teo anivon’ny Antenimieram-pirenena tamin’ny 18 desambra 2015.

ANTENIMIERAM-PIRENENA SY NY CRAM ARY NY EMERGENCE DE MADAGASCAR

Ny Cercle de Réflexion pour l’Avenir de Madagascar sy ny Emergence de Madagasikara dia efa nandefa taratasy tamin’Andriamatoa Filohan’ny Antenimieram-pirenena, Ramatoa sy Andriamatoa isany mpikambana ao amin’ny Birao maharitra ary ireo Solombavam-bahoakan’i Madagasikara rehetra tamin’ny 20 janoary 2016 mangataka ny :

. Hananganana ny « commission spéciale îles éparses » izay hamolavola ny taratasy halefa ho an’ny Filohan’ny Antenimieram-pirenena frantsay ;

. Hanomanana miaraka amin’ny Solombavam-bahoakan’i Madagasikara rehetra ny hetsika am-pilaminana goavana eo amin’ny kianjaben’i Mahamasina hitakiana ny famerenana ireo Nosy malagasy. Fitakiana madio sy milamina ary tsy misy « récupération politique » mihitsy.

Betsaka lavitra nohon’ny foto-drafitr’asa izay hatsangana handraisana izany « XVIe Sommet de la francophonie » izany ny vola vahiny amina « milliards de dollars » hiditra amin’ny kitapom-bolam-panjakana raha tafaverina amintsika ireo Nosy ireo mba ho entina hanarenana ny toe-karena sy ny fari-piainan’ny vahoaka malagasy.

Hanana ny haja sy ny voninahiny i Madagasikara maneran-tany fa : « miverina tanteraka ny fiandrianam-pirenena (souveraineté nationale) satria tsy zanatany intsony i Madagasikara sady tsy very zo ny vahoaka malagasy araka ny « Résolution 1514 (XV) Déclaration sur l’octroi de l’indépendance aux pays et aux peuples coloniaux » nandritra ny Fivoriamben’ny Firenena Mikambana tamin’ny 14 desambra 1960 izay tsy nohajain’ny fitondram-panjakana frantsay tamin’ny nandraisany ny « décret n°60-555 du 1er avril 1960 » ka lasa teo ambany fiadidian’ny Ministère d’Outre-mer ary ny Préfet de la Réunion no miandraikitra ny fitantanana ireo Nosy malagasy ireo hatramin’izao.

1 400 km miala ny Nosy Juan de Nova no misy an’i La Réunion. Mahatratra ora efatra eny ambony fiaramanidina (4h de vol) ireo tafika frantsay miainga an’i La Rénuion raha hanao fanazaran-tena any amin’ny Nosy Juan de Nova izay 150 km monja miala ny morontsiraka malagasy ary ahitana « gisements géants de gaz nature estimés à plus de 637 milliards de mètres cubes ». Tsy manaja ny voalaza ao anatin’ny « Convention des Nations Unies sur le droit de la mer » ao amin’ny andininy faha 57 izany. « Une zone économique exclusive s'étend à partir de la ligne de base de l'État jusqu'à 200 milles marins (environ 370,4 km) de ses côtes au maximum ».

Tsy tokony ho diso fandraisana fanampahan-kevitra ny fitondram-panjakana malagasy amin’ny fitakiana ireo Nosy malagasy ireo satria « efa tonga eo amin’ny dingana farany isika amin’ity taona 2016 ity » araka ny nambaranay tamin’ireo Solombavam-bahoaka teny amin’ny Lapan’ny Antenimieram-pirenena ny 18 desambra 2015. Miandry ny fiaraha-mientan’ny vahoaka malagasy sy ireo Solombavam-bahoaka eo amin’ny kianjaben’i Mahamasina izao tontolo izao.

Alasora, faha 28 janoary 2016

Cercle de Réflexion pour l’Avenir de Madagascar (CRAM)

Emergence de Madagascar