Overblog
Editer l'article Suivre ce blog Administration + Créer mon blog

“ASSOCIATION NOSY MALAGASY” (ANM). Arlette Ramaroson: Malagasy masi-mandidy

Publié le par Jeannot Ramambazafy

Arlette RAMAROSON

Arlette RAMAROSON

CONFERENCE DE PRESSE

Arlette RAMAROSON – Président national “ASSOCIATION NOSY MALAGASY” (ANM) – Ancien Juge International

HOTEL “LE LOUVRE” ANTANINARENINA -14 JUIN 2016

Faly miarahaba anareo mpanao gazety rehetra tonga manatrika izao fotoana izao.

Mamelà ahy ianareo hanazava fohy ny momba ny Association Nosy Malagasy - ANM. Fikambanana mijoro ara-panjakana ny ANM ary manana tanjona amin’ny famerenana ireo Nosy malagasy (Iles Eparses) ho amin’ ny fanorenana sy ny fanarenana ny firenena araka ny voalazan’ny andininy faha 2 ny Sata mifehy azy.

Raha ny momba ny tantaran’ny Nosy Malagasy sy manodidina azy dia tsy zoviana aminareo mpanao gazety intsony ka tsy hiverenako eto fa ny antony tena niantsoana anareo androany dia ny fanambarana izay hataon’ny ANM sy ny fikarakarana ny Fikaonan-doham-pirenena ho famerenana ireo Nosy Malagasy.

FANAMBARANA

Ry mpiray Tanindrazana,

Ambarako amintsika vahoaka Malagasy masi-mandidy anio fa tsy tara velively akory ny fandraisantsika andraikitra ho amin’ny famerenana ireo Nosy malagasy – Iles Eparses.

Mitaky ny finoanao sy ny fiarahantsika mientana ny fahatanterahan’izany ary ho ataontsika ao anatin’ny fitiavan-tanindrazana sy ny filaminana tanteraka izany.

Raha araka ny lalàna iraisam-pirenena, dia misokatra ho antsika malalaka ny fomba ahazoana ireo nosy ireo.

Hatreto, ny fitondram-panjakana frantsay dia tsy nanaja ny lalàna iraisam-pirenena mifehy ny fiverenan’ny fahaleovantenan’ny tany voazanaka, sy ny zon’ny vahoaka Malagasy amin’ny famerenana manontolo aminy ny tany, tsy misy anombinana.

Voamarina izany araka ny « Résolution 1514 (XV) - Déclaration sur l’octroi de l’indépendance aux pays et aux peuples coloniaux » nandritra ny Fivoriamben’ny Firenena Mikambana tamin’ny 14 desambra 1960.

26 jiona 1960 – 26 jiona 2016, hankalaza tsy ho ela ny faha 56 taona niverenan’ny fahaleovan-tenam-pirenena isika, azo ambara ampahibemaso fa, tsy mbola mahaleo tena tanteraka isika Malagasy.

Ny ANM dia:

  • matoky ny fahendren’ny governemanta frantsay, izay mpitandro ny zon’olombelona eo amin’ny sehatra iraisam-pirenena, ary ny fanekeny ho amin’ny fanajàna ny zon’olombelona ao amin’ny fikambanana samihafa iraisam-pirenena;

Ny ANM dia:

  • miantso ny governementa frantsay, hanafoana ny lalàna, ny didim-panjakàna (décret n°60-555 du 1er avril 1960 sy ny Décret n°78-146 du 3 février 1978) ary ny didim-pitondràna noraisiny samy irery izay manamafy ny fiandrianam-pirenena frantsay eo amin’ireo Nosy Malagasy ireo.

Ny ANM dia:

  • miantso ny governementa frantsay, hampihantona avy hatrany, tsy misy fepetra, ny fifanarahana izay nifanaovany sonia, tamin’ireo orinasa samihafa mikasika ny fitrandrahana ny harena ao amin’ny Nosy Juan de Nova

Ny ANM dia:

  • miantso ny governementa frantsay, hampitsahatra avy hatrany ny fepetra rehetra izay mety hanembatsembana ny, fiandrianam-pirenena Malagasy amin’ireo Nosy Malagasy ireo.

Ny ANM dia:

  • mangataka ny governementa frantsay, hanao fanambarana ampahibemaso eo anatrehan’ny Firenena mikambàna, ny fanekeny fa an’i Madagasikara madiodio ireo Nosy Malagasy, ary hisy fepetra izay horaisina miaraka amin’ny vahoaka Malagasy, ho amin’ny famerenany ireo Nosy Malagasy ireo.

Izany rehetra izany dia ho fampiharana ny Fehin-kevitra,izay noraisin’ny Fivoriambe ny Firenena mikambana, mitondra ny laharana 34/91, notanterahina ny 12 desambra 1979 izay nanambaran’ny mpivory mazava tsara fa, antsika Malagasy ny “Iles éparses” izay nomena anarana hoe: “ILES MALGACHES” na “NOSY MALAGASY”.

Tamin’ny taona 1980 dia nohamafisin’ny Firenena mikambana ny fehin-kevitra. Nanery tsy nisy hatak’andro ny governementa frantsay ny Firenena mikambana mba hanao haingana dia haingana ny fifampiraharahana ary hitady vahaolana maharitra miaraka amin’ny vahoaka sy ny governemanta Malagasy.Nangataka izany izy ireo satria mifameno tanteraka amin’ny tanjona sy ny tarigetra ny Firenena mikambana izany.

RAHA TSY TANTERAKA IREO FANGATAHANA VOALAZA IREO

Dia aoka isika vahoaka masi-mandidy, mpiray tanindrazana, hiditra an-tsehatra handidy sy hanapaka momba ny harenantsika tsy hita pesimpesenina izay efa natolotr’Andriamanitra ho antsika.

Hamafisin’ny lalàna iraisam-pirenena izany.

Araka ny Fanambaràna iraisam-pirenena mikasika ny zon’olombelona ao amin’ny andininy faha 19 ary ny “Pacte relatifs aux droits civils et politiques” izay mbola hamafisin’ny Lalàm-panorenana malagasy ao amin’ny andininy faha 11 dia:

  • manana zo sy andraikitra ny fikambanana ANM, mampahafantatra ary manentana ny olom-pirenena tsirairay mizaka ny zom-pirenena Malagasy fa, na dia nogiazan’ ny governemanta frantsay aza ireo Nosy malagasy ireo dia efa nohamafisin’ny fanapahan-kevitry ny Firenena mikambana fa an’i Madagasikara madiodio ireo nosy ireo araka ny voalaza etsy ambony;
  • Ny mpiray tanindrazana dia manana zo, ary tokony hahafantatra fa araka ny lalàna iraisam-pirenana « Pacte relatifs aux droits civils et politiques » dia masi-mandidy amin’ny harena izay misy ao aminy ny vahoaka ary voalaza mazava tsara fa tsy tokony voantohitohina ny fivelomana sy ny anton-mpiveloman’ny olom-pirenena tsirairay na ihany koa amin’ny voambolana ara-pitsarana hoe : “Nul ne peut être privé de ses moyens de subsistances”
  • Ny malagasy tsirairay avy dia tokony hahafantatra fa tapitrohatra ny harena misy ao amin’ireo Nosy Malagasy ireo (millliards de milliards de dollars)

Harena izay azo antoka fa fitaovana iray ho antsika Malagasy mba hoentintsika miady amin’izao fahantrana lalina mianjady amin’ny maro an’isa izao fotoana izao.

Harena izay azo antoka fa fitaovana iray ho antsika Malagasy mba ahazoana manorina indray ilay Madagasikara vaovao.

NOHO IREO ANTONY VOALAZA EO AMBONY IREO DIA

TSY MAINTSY HORENESINA NY FEON’NY VAHOAKA MALAGASY SY NY FANAPAHAN-KEVINY MAHAKASIKA IREO NOSY MALAGASY IREO

Ny malagasy mizaka ny zom-pirenena malagasy, ary ny frantsay mizaka ny zo-pirenena frantsay dia tokony ahafantatra amin’ny fomba mangarahara ny mahakasika ireo Nosy Malagasy ireo satria raharaha iombonan’ny olom-pirenena malagasy sy ny olom-pirenena frantsay izao fitakiana izao.

Ny ANM dia manambara fa tsy azo ekena velively ary foana sy tsy manan-kery ny fifanarahana miafina izay nosoniavin’ireo mpitondra fanjakana Malagasy sy frantsay, raha nisy izany. Tsy azo ekena satria tsy nifampiherana tamin’ny vahoaka Malagasy masi-mandidy sy ireo olom-boafidim-bahoaka izany fanapahan-kevitra izany.

Ny ANM dia:

  • manamafy fa ny fiarahantsika mifanome tànana ho amin’ny “Fikaonan-doham-pirenena ho famereanana ireo Nosy Malagasy” na “Symposium national pour la restitution des Iles Malagasy” no làlan-tokana ahafahantsika mitaky amin’ny fomba mifanaraka amin’ny Lalàna iraisam-pirenena ny famerenana amintsika ireo Nosy Malagasy.

Ny ANM dia:

  • manaja tanteraka ny Lalàna iraisam-pirenena efa nosoniavin’i Madagasikara izay mandràra ny fanonganam-panjakàna ary manamarika fa tsy vaha olana ho an’i Madagasikara ny fitakiana amin’ny alalan’ny fanonganam-mpanjakàna satria hitondra krizy vaovao ho an’ny Firenentsika izany.

Ny fifandimbiasam-pahefàna ara-demokratika, araka voarakitra ao anatin’ny Lalàm-panorenan’ny Repoblikan’i Madagasikara no aoka ho filamatra ho antsika.

Averiko ary hamafisiko amintsika mpiray tanindrazana fa:

  • Tsy tara velively akory ny handraisantsika andraikitra amin’ny famerenana amintsika ireo Nosy Malagasy
  • Raha araka ny lalàna iraisam-pirenena dia misokatra malalaka ho antsika ny fomba ahazoantsika ireo Nosy Malagasy ireo.

Eto am-pamaranana, antso avo no ataoko, ho amintsika rehetra izay miara-miombon-kevitra amin’izao fitakiana izao:

Na aiza na aiza misy anao, na inona na inona firehan-kevitra hijoroanao, na inona na inona adidy sy andraikitra, misy anao eto amin’ny Tany sy ny Firenena, Malagasy iray ihany isika.

Mila ny finoanao sy ny fandresen-dahatrao ny fanatanterahana ny “Fikaonan-doham-pirenena ho famerenana ireo Nosy Malagasy” na “‘Symposium national pour la restitution des Iles Malagasy” izay ho tanterahan’ny vahoaka Malagasy masi-mandidy ny faha 23 jolay 2016 ao amin’ny Lapan’ny Tanàna Antananarivo Renivohitra.

Ny tanjona iombonana dia ny famerenana ho amitsika ireo Nosy Malagasy, antoka iray ho fanorenena sy fanarenana ny Firenentsika.

Tonga ny fotoana. Mila mifanome tànana isika Malagasy.

Masina ny Tanindrazana!